7. Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8. Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9. Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
10. Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11. Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo.
12. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
14. Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15. ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
16. Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17. Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
18. Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19. Ary horavako ny reharehan'ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;