24. Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25. Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo ianareo.
26. Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
27. Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28. dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29. Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
30. Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko ianareo.
31. Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
32. Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33. Ary ianareo dia haeliko any amin'ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34. Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
35. amin'ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
36. Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
37. Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.