Levitikosy 26:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.

3. Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,

4. dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.

5. Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.

6. Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.

7. Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.

8. Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.

9. Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.

10. Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.

11. Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko ianareo.

12. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.

13. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,

14. Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,

15. ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,

16. Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.

Levitikosy 26