47. Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
48. na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
49. na ny rahalahin-drainy, na ny zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin'ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
50. Ary dia hisainy amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
51. Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny teo aloha.