33. Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.
34. Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
35. Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36. Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
37. Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
39. Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
40. fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anao.
41. Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.