Levitikosy 25:19-31 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.

20. Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;

21. dia hataoko aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin'ny telo taona.

22. Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.

23. Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.

24. Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo.

25. Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny.

26. Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,

27. dia aoka hanisa ny taona hatramin'ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an'ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.

28. Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.

29. Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.

30. Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.

31. Fa ny trano ao amin'ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin'ny Jobily.

Levitikosy 25