Levitikosy 24:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.

9. Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.

10. Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.

11. Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);

12. ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.

13. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

14. Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.

15. Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,

16. Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.

17. Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.

18. Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.

Levitikosy 24