10. Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11. Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
12. ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
13. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
14. Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15. Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
16. Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
17. Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
18. Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
19. Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20. tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
21. Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22. Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23. Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.