Levitikosy 23:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:

3. Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.

Levitikosy 23