Levitikosy 22:31-33 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.

32. Ary aza manamavo ny anarako masina; fa hohamasinina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho: Izaho Jehovah,

33. Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasina anareo; Izaho no Jehovah.

Levitikosy 22