Levitikosy 22:12-21 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.

13. Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.

14. Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:

15. Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,

16. na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

17. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18. Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,

19. dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.

20. Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.

21. Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.

Levitikosy 22