Levitikosy 21:5-7 Malagasy Bible (MG1865)

5. Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.

6. Ho masina ho an'Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran'Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izy, dia ny hanin'Andriamaniny, ka dia tokony ho masina.

7. Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona.

Levitikosy 21