1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin'ny fireneny,
2. afa-tsy amin'ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
3. ary amin'ny fatin'ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.