1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2. Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
3. Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
4. Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5. Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany.
6. Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany.
7. Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
8. fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.
9. Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao.
10. Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
11. Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12. Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13. Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
14. Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
15. Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
16. Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
17. Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.