11. Aza mandry amin'ny zanakavavin'ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12. Aza mandry amin'ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13. Aza mandry amin'ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14. Aza mandry amin'izay nandrian'ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin'ny rahalahin-drainao izy.
15. Aza mandry amin'ny vinantovavinao; fa vadin'ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16. Aza mandry amin'ny vadin-drahalahinao; fa nandrian'ny rahalahinao izy.
17. Aza mandry amin'ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin'ny zananilahy, na ny zanakavavin'ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18. Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin'ny rahavaviny izay mbola velona.
19. Ary aza mila vehivavy mararin'ny fadim-bolany handry aminy.
20. Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21. Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an'i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22. Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23. Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24. Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.