7. Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.
8. Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
9. ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
10. Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.
11. Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.