13. Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin'ny tany ny ràny ka hototofany;
14. fa ny amin'ny amin'ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15. Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.
16. Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.