8. Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
9. Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
10. fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11. eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12. Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13. Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14. ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
15. ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
16. ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17. ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18. ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
19. sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20. Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21. nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.