Levitikosy 11:21-34 Malagasy Bible (MG1865)

21. nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.

22. Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.

23. Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.

24. Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

25. Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.

26. Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.

27. Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.

28. Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.

29. Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,

30. ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.

31. Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

32. Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.

33. Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.

34. Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.

Levitikosy 11