17. ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18. ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
19. sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20. Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21. nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.
22. Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23. Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24. Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
25. Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
26. Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27. Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28. Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29. Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30. ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31. Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32. Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.