1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:
3. Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
4. Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5. ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6. ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7. ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
8. Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.