7. Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
8. Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
9. Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
10. ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11. ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.