1. Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2. Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3. ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4. mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5. Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.