Josoa 6:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.

2. Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.

3. Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.

4. Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.

5. Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.

Josoa 6