1. Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
2. Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
3. ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
4. Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
5. ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,