1. Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
2. Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
3. Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
4. Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.