Josoa 21:7-22 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

8. Dia nomen'ny Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.

9. Dia nomeny avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,

10. izay azon'ny taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy ny loka voalohany.

11. Dia nomeny azy ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany manodidina azy.

12. Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.

13. Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy

14. ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,

15. ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,

16. ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;

17. ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy

18. ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.

19. Ny tanàna rehetra an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.

20. Ary ny amin'ny taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanàna azony tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima.

21. Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy

22. ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;

Josoa 21