Josoa 2:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.

2. Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.

3. Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.

4. Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;

5. ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.

6. Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.

7. Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.

8. Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy

Josoa 2