30. ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
31. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
32. Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony.
33. Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana,
34. dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana.
35. Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
36. sy Adama sy Rama sy Hazora
37. sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
38. sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
39. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
40. Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony.
41. Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
42. sy Salabima sy Aialona sy Jitla
43. sy Elona sy Timna sy Ekrona
44. sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
45. sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
46. sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa.
47. Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy.
48. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
49. Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona.