Josoa 17:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.

5. Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i Jordana,

6. satria ny zanakavavin'i Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny zanakalahin'i Manase sisa.

7. Ary ny fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso tamin'ny ankavanana hatramin'ny mponina any En-tapoa.

8. Ary an'i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny taranak'i Efraima.

9. Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanĂ nan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.

Josoa 17