Josoa 17:15-17 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan'i Efraima.

16. Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.

17. Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.

Josoa 17