Josoa 15:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,

8. dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,

9. dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanĂ na tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),

10. dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.

11. dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jabniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina.

Josoa 15