Josoa 15:61-63 Malagasy Bible (MG1865)

61. Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka

62. sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.

63. Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.

Josoa 15