Josoa 13:12-24 Malagasy Bible (MG1865)

12. dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.

13. Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.

14. Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.

15. Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony

16. Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,

17. dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona

18. sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata

19. sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,

20. sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota

21. ary ny tanàna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.

22. Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny.

23. Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.

24. Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.

Josoa 13