Josoa 1:6-9 Malagasy Bible (MG1865)

6. Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.

7. Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao.

8. Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

9. Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

Josoa 1