6. Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga.
7. Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.
8. Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
9. Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.