18. Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19. Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20. Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21. Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22. Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23. Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24. Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25. Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26. Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
27. Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28. Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29. Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30. Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31. Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32. Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33. Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.