Joba 9:10-26 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.

11. Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.

12. Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?

13. Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.

14. Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;

15. Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.

16. Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.

17. Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.

18. Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.

19. Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?

20. Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.

21. Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.

22. Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.

23. Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.

24. Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?

25. Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.

26. Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.

Joba 9