Joba 9:1-18 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?

3. Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.

4. Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?

5. Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,

6. Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;

7. Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;

8. Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;

9. Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,

10. Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.

11. Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.

12. Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?

13. Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.

14. Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;

15. Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.

16. Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.

17. Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.

18. Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.

Joba 9