Joba 7:5-8 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.

6. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

7. Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

8. Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.

Joba 7