Joba 7:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

13. Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.

14. Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;

15. Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;

16. Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

17. Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,

Joba 7