Joba 6:21-26 Malagasy Bible (MG1865)

21. Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.

22. Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,

23. Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?

24. Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.

25. Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?

26. Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.

Joba 6