Joba 5:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;

14. Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;

15. Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.

16. Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava

17. Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;

18. Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.

19. Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.

20. Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;

21. Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;

22. Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;

Joba 5