Joba 5:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?

2. Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.

3. Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;

4. Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;

5. Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany

Joba 5