Joba 41:14-24 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.

15. Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.

16. Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.

17. Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.

18. Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.

19. Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.

20. Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.

21. Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.

22. Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.

23. Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.

24. Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.

Joba 41