Joba 40:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.

6. Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:

7. Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:

8. Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?

9. Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?

Joba 40