Joba 40:14-17 Malagasy Bible (MG1865)

14. Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.

15. He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.

16. Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.

17. Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny

Joba 40