Joba 40:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:

2. Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!

3. Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:

4. Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.

Joba 40