Joba 38:9-24 Malagasy Bible (MG1865)

9. Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,

10. Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana

11. Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

12. Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,

13. Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?

14. Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,

15. Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.

16. Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?

17. Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?

18. Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.

19. Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?

20. Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.

21. Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!

22. Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,

23. Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?

24. Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?

Joba 38