3. Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4. Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6. Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7. Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8. Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9. Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10. Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11. Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12. Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
13. Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14. Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
15. Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16. Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
17. Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?